Bokin'i Jeremia 16:12
Ary ny tenanareo koa nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo; Fa he! ianareo samy mandeha araka ny ditry ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 16
Cross References
Genesis 8:21Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ ny olona Aho; fa ny fisainan’ ny fon’ ny olona dia ratsy hatramin’ ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
Deuteronomy 29:19Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin’ izany lehilahy izany ny fahatezeran’ i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ ity boky ity, ka hovonoin’ i Jehovah tsy ho eo ambanin’ ny lanitra ny anarany.
1 Samuel 15:23Fa ny miodina dia toy ny heloka amin’ ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’ i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.
Ecclesiastes 9:3Izao no fahoriana amin’ izay rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon’ ny zanak’ olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin’ ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin’ ny maty izy.
Jeremiah 7:26Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo sady tsy nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony ka nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.
Jeremiah 13:10Ity firenena ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ ny ditry ny fony ka manaraka andriamani-kafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony.