Bokin'i Jeremia 16:4
Ho fatin’ ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 16
Cross References
Deuteronomy 28:22Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main’ ny rivotra na maty fotsy no hamelezan’ i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao.
1 Kings 21:23Ary ny amin’ i Jezebela koa dia nolazain’ i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an’ i Jezebela eny ivelan’ ny màndan’ i Jezirela.
2 Kings 9:36Ary niverina ireo ka nanambara taminy. Ary hoy Jeho: Araka ny tenin’ i Jehovah izany, dia ilay nampilazainy an’ i Elia Tisbita mpanompony hoe: Ao amin’ ny tany Jezirela no hihinanan’ ny alika ny nofon’ i Jezebela,
Psalms 79:2Ny fatin’ ny mpanomponao nomeny hohanin’ ny voro-manidina, ny nofon’ ny olonao masìna ho an’ ny bibidia;
Isaiah 5:25Koa izany no irehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin’ ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Jeremiah 7:33Ary ny fatin’ ity firenena ity dia ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.