Bokin'i Jeremia 17:2
Dia amin’ izay hahatsiarovan’ ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin’ ny hazo maitso, ambonin’ ny havoana andrandraina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Whilst their children remember their altars and their groves by the green trees upon the high hills.
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 17
Cross References
Judges 3:7Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha.
2 Chronicles 33:3Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan’ i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an’ ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohota teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra ka nanompo azy
Psalms 78:58Ary nampahatezitra Azy tamin’ ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin’ ny sarin-javatra voasokitra.
Isaiah 17:8Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan’ ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon’ ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an’ ny masoandro.
Jeremiah 7:18Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an’ ny mpanjakavavin’ ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho an’ ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.
Hosea 4:13Eny an-tampon’ ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin’ ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin’ ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan’ ny zanakavavinareo sy ijangajangan’ ny vinantovavinareo.