Bokin'i Jeremia 17:4
Ary avy amin’ ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon’ ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 17
Cross References
Leviticus 26:31Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
Deuteronomy 28:25Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloan’ ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany ianao.
Deuteronomy 29:26dia nirehitra tamin’ ity tany ity ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra eto amin’ ity boky ity;
Joshua 23:15Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’ i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ ity tany soa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
2 Kings 25:21Dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla any amin’ ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ ny taniny.
Isaiah 5:25Koa izany no irehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin’ ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.