Bokin'i Jeremia 19:3
ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry mpanjakan’ ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin’ ity tanàna ity Aho izay mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 19
Cross References
1 Samuel 3:11Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin’ ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
2 Kings 21:12dia izao kosa no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin’ i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
Psalms 102:15Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
Isaiah 28:19Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.
Jeremiah 13:18Lazao amin’ ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin’ ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, dia ny satro-boninahitrareo tsara tarehy.
Jeremiah 18:11Koa amin’ izany, lazao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin’ ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.