Bokin'i Jeremia 19:4
satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an’ andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny mpanjakan’ ny Joda, sady efa nameno ran’ ny marina ity tanàna ity
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 19
Cross References
Deuteronomy 13:6Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin’ i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin’ ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin’ ny lalana izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Deuteronomy 28:20Hampandehanin’ i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian’ ny nataonao tamin’ ny nahafoizanao Ahy.
Deuteronomy 28:64Dia haelin’ i Jehovah any amin’ ny firerena rehetra hatramin’ ny faran’ ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.
Deuteronomy 32:15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
Judges 5:8Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin’ izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin’ ny olona efatra alina tamin’ ny Isiraely?
2 Kings 21:16Ary na dia ny rà marina aza dia nalatsak’ i Manase be dia be mandra-pamenony an’ i Jerosalema rehetra, ho fanampin’ ny ota izay nampanotany ny Joda tamin’ ny nanaovany izay ratsy eo imason’ i Jehovah.