Bokin'i Jeremia 19:7
Ary hofoanako amin’ ity tanàna ity ny fisainan’ ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ ny fahavalony sy amin’ ny tànan’ izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 19
Cross References
Leviticus 26:17Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.
Deuteronomy 28:25Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloan’ ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany ianao.
2 Kings 21:14Ary hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tànan’ ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho babon’ ny fahavalony rehetra izy,
Psalms 33:10Jehovah mahafoana ny fisainan’ ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
Proverbs 21:30Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’ i Jehovah.
Isaiah 28:17Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin’ ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin’ ny rano ny fierena.