Bokin'i Jeremia 19:8
Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 19
Cross References
1 Kings 9:8ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan’ izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon’ i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity?
Jeremiah 9:9Noho ny amin’ ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradrako, ary noho ny amin’ ny kijana any an-efitra no hanaovako hira fa halahelovana, satria may izy, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy, ary tsy misy fimàmàn’ omby re intsony, ary na ny voro-manidina na ny bibi-dia samy efa nandositra ka lasa avokoa.
Jeremiah 25:18dia Jerosalema sy ny tanànan’ ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin’ izao anio izao;
Jeremiah 50:13Noho ny fahatezeran’ i Jehovah dia tsy honenana Babylona. Fa ho tonga tany lao avokoa; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.
Micah 6:16Fa fatra-pitandrina ny lalàn’ i Omry Sy ny asan’ ny taranak’ i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan’ ny oloko ianareo.