Bokin'i Jeremia 2:11
Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin’ ireny tsy mahasoa ireny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Talanjona amin’ izany ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, ianareo! hoy Jehovah;
Cross References
Deuteronomy 32:21Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin’ izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin’ ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin’ izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin’ izay firenena adala.
1 Kings 11:33satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr’ i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak’ i Amona, fa tsy nandeha tamin’ ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’ i Davida rainy.
Psalms 3:3Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. [Sela.]
Psalms 115:4Volafotsy sy volamena ny sampin’ ireny, Asan’ ny tanan’ olona:
Jeremiah 2:5Izao no lazain’ i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan’ ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?
Jeremiah 5:7Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin’ izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga.