Bokin'i Jeremia 2:16
Ny mponina tao Memfisa sy Tapanesa aza efa nampangadihady ny tampon-dohanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Also the children of Noph and Tahapanes have broken the crown of thy head.
In Context
Cross References
Deuteronomy 33:20Ary ny amin’ i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an’ i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin’ ny tampon-doha.
2 Kings 23:33Ary nafatotr’ i Farao-neko tao Ribla any amin’ ny tany Hamata izy, mba tsy hanjakany any Jerosalema, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
Isaiah 8:8Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin’ ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.
Isaiah 30:1Lozan’ ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin’ ny Fanahiko, mba hanampy ota amin’ ny ota,
Isaiah 59:13Dia ny miodina sy ny mandà an’ i Jehovah, ary ny miala amin’ ny fanarahana an’ Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.
Jeremiah 44:1Ny teny izay tonga tamin’ i Jeremia ho amin’ ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin’ ny tany Egypta, dia izay nonina tao Migdola sy Tapanesa sy Memfisa, ary tany amin’ ny tany Patrosa, nanao hoe: