Bokin'i Jeremia 2:18
Koa inona no anton’ ny ankanesanao amin’ ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon’ i Sihora? Ary inona no anton’ ny ankanesanao amin’ ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin’ ny Ony?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 13:3hatrany Sihora, izay atsinanan’ i Egypta, ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an’ ny Kananita, ireo andriana dimy amin’ ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita
2 Chronicles 28:16famin’ izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Asyria nangataka ny any hanampy azy.
Isaiah 23:3Teny amin’ ny rano be ny varin’ i Sihora, dia ny vokatr’ i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan’ ny firenena izy.
Isaiah 30:2Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin’ ny vavako, handositra ho any amin’ ny fiarovana mafin’ i Farao sy hialokaloka ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
Jeremiah 2:36Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin’ i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin’ i Asyria.
Jeremiah 37:5Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan’ i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an’ i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.