Bokin'i Jeremia 2:19
Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian’ ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 33:6Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanala ny firavany hatreo an-tendrombohitra Horeba.
1 Kings 18:18Fa Elia namaly hoe: Tsy izaho no nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, fa ianao sy ny mpianakavin’ ny rainao ihany tamin’ ny nandavanareo ny didin’ i Jehovah sy ny nanarahanao ireo Bala.
2 Chronicles 21:10Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin’ izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an’ i Jehorama, satria efa nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy.
Job 20:11Ny taolany dia feno ny herin’ ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin’ ny vovoka izany.
Proverbs 1:31Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
Isaiah 3:9Ny fisehon’ ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an’ i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan’ ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin’ ny tenany izy.