Bokin'i Jeremia 2:3
Masìna ho an’ i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin’ ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 4:22Ary lazao amin’ i Farao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
Exodus 22:29Izao no hataonao amin’ ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao; hafitoana no hitoerany ao amin’ ny reniny; ary amin’ ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.
Numbers 18:12Izay rehetra tsara indrindra amin’ ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an’ i Jehovah, dia efa nomeko anao.
Deuteronomy 14:2Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Psalms 81:14Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin’ ny lalako ny Isiraely;
Psalms 105:25Nampiova ny fon’ ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.