Bokin'i Jeremia 2:30
Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29Nahoana no mifandahatra amiko ianareo? Fa samy efa niodina tamiko ianareo rehetra, hoy Jehovah.
Cross References
1 Kings 19:14Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak’ Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin’ ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
2 Chronicles 28:22Ary tamin’ ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso amin’ i Jehovah ihany io Ahaza mpanjaka io.
Nehemiah 9:26Kanefa nandà izy sady niodina taminao ary nanary ny lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy.
Isaiah 9:13Ka dia nofongoran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro
Jeremiah 6:29May ny tafoforana, levon’ ny afo ny firaka, foana ny nandrendrehan’ ny mpandrendrika, fa tsy voaisotra ny ratsy.
Jeremiah 26:20Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin’ ny anaran’ i Jehovah, dia Oria, zanak’ i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin’ ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon’ i Jeremia izany koa.