Bokin'i Jeremia 2:32
Hanadino ny firàvany va ny virijina, na hanadino ny fehin-kibony misy haingony va ny ampakarina? Nefa tsy hita isa ny andro nanadinoan’ ny oloko Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
33Kanto izany fandehanao hitady fitia izany, ka zarinao ho amin’ ny ratsy ny dianao!
Cross References
Genesis 24:22Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin’ orona volamena iray, lanjan’ ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan’ ny sekely folo, hatao amin’ ny tànany;
Genesis 24:53Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.
Judges 8:34Ary ny Zanak’ Isiraely tsy nahatsiaro an’ i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra nanodidina,
Psalms 9:17Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin’ ny asan’ ny tànany Izy.
Psalms 106:21Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
Isaiah 61:10Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.