Bokin'i Jeremia 2:36
Nahoana ianao no maika hanova ny alehanao? Fa ho menatra noho ny amin’ i Egypta koa ianao, toy ny nahamenaranao noho ny amin’ i Asyria.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 28:16famin’ izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Asyria nangataka ny any hanampy azy.
2 Chronicles 28:21Fa efa nalain’ i Ahaza ny zavatra tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-tranon’ ny mpanjaka sy ny an’ ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan’ i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany.
Isaiah 30:1Lozan’ ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin’ ny Fanahiko, mba hanampy ota amin’ ny ota,
Isaiah 31:1Lozan’ izay midìna any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ ny Isiraely, na mitady an’ i Jehovah.
Jeremiah 2:23Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ ny alehany,
Jeremiah 22:20Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao.