The Bible Software
bible.software › Bokin'i Jeremia › Bokin'i Jeremia 2 › Bokin'i Jeremia 2:5

Bokin'i Jeremia 2:5

Izao no lazain’ i Jehovah: Inona moa no tsy marina hitan’ ny razanareo tamiko, no dia nanalavitra Ahy izy sady nanaraka ny zava-poana, ka dia tonga zava-poana koa izy?

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Thus saith the LORD, What iniquity have your fathers found in me, that they are gone far from me, and have walked after vanity, and are become vain?

In Context

4Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, ry taranak’ i Jakoba, sy ianareo, ry fokony rehetra amin’ ny taranak’ Isiraely!

6Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan’ olona akory na nonenan’ olona?

Read all of Bokin'i Jeremia 2

Cross References

Deuteronomy 32:21Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin’ izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin’ ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin’ izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin’ izay firenena adala.

2 Kings 17:15Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ ny razany mbamin’ ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’ i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.

Isaiah 5:3Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin’ ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko.

Isaiah 43:22Nefa Izaho tsy mba nantsoinao, ry Jakoba; Fa sasatra amiko ianao, ry Isiraely.

Jeremiah 2:31Ry taranaka, dinihonareo ny tenin’ i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an’ ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?

Jeremiah 10:14Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon’ aina ao aminy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Jeremia 2:5

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Jeremia 2:4Bokin'i Jeremia 2Bokin'i Jeremia 2:6 →