Bokin'i Jeremia 2:8
Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin’ ny anaran’ i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy Jehovah, sy hiady amin’ ny zafinareo koa.
Cross References
Deuteronomy 33:10Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao’ izy Sy fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaranao.
1 Samuel 12:21Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo.
1 Kings 18:29Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
Job 35:10Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ ny alina,
Isaiah 29:10Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
Isaiah 56:9He, ianareo bibi-dia rehetra! Avia hihinana, ianareo biby rehetra any an’ ala.