Bokin'i Jeremia 20:10
Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy hovaliantsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 20
Cross References
1 Kings 19:2Ary Jezebela naniraka olona tany amin’ i Elia hanao hoe: Hataon’ ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain’ ny anankiray amin’ ireny ny ainao raha maraina toy izao.
1 Kings 22:8Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak’ i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin’ i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
Nehemiah 6:6izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin’ ny firenena maro izao teny izao, sady lazain’ i Gasema hoe: Hianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao,
Psalms 31:13Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
Psalms 41:9Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.
Psalms 55:13Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,― fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;