Bokin'i Jeremia 20:3
Ary nony ampitso, dia nesorin’ i Pasora tamin’ ny boloky hazo Jeremia. Dia hoy Jeremia taminy: Tsy nataon’ i Jehovah hoe Pasora ny anaranao, fa Magora-misabiba.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 20
Cross References
Genesis 17:15Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Abrahama: Ny amin’ i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.
Psalms 31:13Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
Jeremiah 6:25Aza mivoaka ho any an-tsaha, ary aza mandeha amin’ ny lalambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampangorohoroana manodidina.
Jeremiah 19:2dia mivoaha ho any amin’ ny Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, izay eo anoloan’ ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao,
Jeremiah 20:10Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy hovaliantsika.
Jeremiah 46:5Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.