The Bible Software
bible.software › Bokin'i Jeremia › Bokin'i Jeremia 20 › Bokin'i Jeremia 20:4

Bokin'i Jeremia 20:4

Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an’ ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin’ ny sabatra.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

For thus saith the LORD, Behold, I will make thee a terror to thyself, and to all thy friends: and they shall fall by the sword of their enemies, and thine eyes shall behold it: and I will give all Judah into the hand of the king of Babylon, and he shall carry them captive into Babylon, and shall slay them with the sword.

In Context

3Ary nony ampitso, dia nesorin’ i Pasora tamin’ ny boloky hazo Jeremia. Dia hoy Jeremia taminy: Tsy nataon’ i Jehovah hoe Pasora ny anaranao, fa Magora-misabiba.

5Ary ny harena rehetra amin’ ity tanàna ity sy ny vokatry ny fisasarany rehetra sy ny zava-tsoany rehetra ary ny rakitry ny mpanjakan’ ny Joda rehetra dia samy hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony, ka dia hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babylona.

Read all of Bokin'i Jeremia 20

Cross References

Deuteronomy 28:32Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an’ ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.

1 Samuel 2:33Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo anilan’ ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony.

Job 18:11Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin’ ny alehany rehetra.

Psalms 73:19Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!

Jeremiah 19:15Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin’ ity tanàna ity sy amin’ ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko.

Jeremiah 21:6Ary hamely ny mponina amin’ ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin’ ny aretim-be mandringana izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Jeremia 20:4

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Jeremia 20:3Bokin'i Jeremia 20Bokin'i Jeremia 20:5 →