Bokin'i Jeremia 20:7
Jehovah ô, notaominao aho ka voataona; Nosamborinao aho ka resinao; Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; Izy rehetra dia maneso ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 20
Cross References
Numbers 11:11Dia hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity?
Job 30:9Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
Psalms 35:15Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona; olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;
Psalms 69:12Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentinteny tamin’ ireny aho.
Jeremiah 1:6Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.
Jeremiah 15:10Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy, Izay lehilahy ilana ady sy fifandirana eny amin’ ny tany rehetra! Tsy nampanàna vola aho, ary tsy nisy nanàna vola tamiko, nefa ozonin’ ny olona rehetra ihany aho.