Bokin'i Jeremia 21:12
Ry taranak’ i Davida, izao no lazain’ i Jehovah: Mitsarà isa-maraina, afaho amin’ ny tanan’ ny mpampahory ny alona norobaina, fandrao mivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary mirehitra ka tsy hisy hamono noho ny faharatsian’ ny ataonareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Ary henoy ny tenin’ i Jehovah ny amin’ ny taranaky ny mpanjakan’ ny Joda sy ny mpianakaviny.
Read all of Bokin'i Jeremia 21
Cross References
Leviticus 26:28dia hamely anareo amin’ ny fahatezerana kosa Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo.
2 Samuel 8:15Ary Davida nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra.
Psalms 72:1Nataon’ i Solomona. Andriamanitra ô, omeo ho an’ ny mpanjaka ny fitsarànao, ary ho an’ ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
Psalms 82:2Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? [Sela.]
Psalms 101:8Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan’ i Jehovah.
Proverbs 31:8Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ ny kamboty ny rariny;