Bokin'i Jeremia 22:13
Lozan’ izay manorina ny tranony amin’ ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin’ ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Fa ho faty any amin’ ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony.
Read all of Bokin'i Jeremia 22
Cross References
Deuteronomy 15:13Ary raha hovotsoranao ho afaka izy, dia tsy havelanao handeha fotsiny;
2 Kings 23:35Ary ny volafotsy sy ny volamena dia nomen’ i Joiakima an’ i Farao; kanefa notombanany avokoa ny olona rehetra araka ny didin’ i Farao, ary ny vahoaka rehetra dia samy nampandoaviny vola araka ny tombany avy, mba homeny an’ i Farao-neko.
Job 24:10Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.
Jeremiah 22:18Ary noho izany dia izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
Habakkuk 2:9Lozan’ izay fatra-pila harena amin’ ny tsy marina ho an’ ny taranany, Hanaovany ny akaniny any amin’ ny avo, Mba tsy ho tratry ny tanan’ ny loza
Malachi 3:5Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin’ ny karamany mbamin’ ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.