Bokin'i Jeremia 22:2
Henoy ny tenin’ i Jehovah, ry mpanjakan’ ny Joda, izay mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ ireto vavahady ireto:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 22
Cross References
1 Kings 22:19Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah: Nahita an’ i Jehovah nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo an-daniny avy, dia teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Isaiah 9:7Ny Tompo mandefa teny ho an’ i Jakoba, ka mihatra amin’ ny Isiraely izany.
Jeremiah 7:2Mitsangana eo am-bavahadin’ ny tranon’ i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin’ ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah.
Jeremiah 17:20ka lazao amin’ ny olona hoe: Henoinareo ny tenin’ i Jehovah ry mpanjakan’ ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin’ ireto vavahady ireto.
Jeremiah 22:4Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida hiditra amin’ ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
Jeremiah 29:16Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny amin’ ny vahoaka rehetra izay monina amin’ ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo.