Bokin'i Jeremia 22:28
Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin’ ny tany tsy fantany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany.
29Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin’ i Jehovah.
Read all of Bokin'i Jeremia 22
Cross References
1 Samuel 5:3Ary nony ampitson’ iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah; dia narenin’ ny olona izy ka napetrany teo amin’ ny fitoerany indray.
1 Chronicles 3:17Ary ny zanakalahin’ Jekonia dia Asira, Sealtiela no zanak’ i Asira,
Jeremiah 14:18Raha mivoaka any an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, dia indreo ny anan’ ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin’ ny tany tsy fantany.
Jeremiah 16:12Ary ny tenanareo koa nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo; Fa he! ianareo samy mandeha araka ny ditry ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy;
Jeremiah 22:30Izao no lazain’ i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin’ ny androny; Fa tsy hisy amin’ ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, na hanapaka ao amin’ ny Joda intsony
Jeremiah 48:38Eny, amin’ ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.