Bokin'i Jeremia 22:6
Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an’ i Gileada sy ny tampon’ i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 22
Cross References
Genesis 37:25Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
Psalms 107:34Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian’ ny mponina eo.
Isaiah 6:11Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;
Isaiah 27:10Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no hihinanan’ ny zanak’ omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony.
Jeremiah 4:7Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.
Jeremiah 7:34Dia hatsahatro any an-tanànan’ ny Joda sy eny an-dalamben’ i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina; Fa ho lao ny tany.