Bokin'i Jeremia 22:7
Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain’ ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 22
Cross References
Isaiah 10:33Indro, Jehovah, Tompon’ ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin’ ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry;
Isaiah 27:10Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no hihinanan’ ny zanak’ omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony.
Isaiah 54:16Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin’ ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana.
Jeremiah 5:15Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.
Jeremiah 50:20Amin’ izany andro izany sy amin’ izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan’ ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok’ izay sisa narovako.
Zechariah 11:1Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan’ ny afo ny sederanao