Bokin'i Jeremia 23:18
Fa iza moa no efa isan’ ny mpihevitra teo amin’ i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 23
Cross References
2 Chronicles 18:23Fa Zedekia, zanak’ i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak’ i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no lalana nialan’ ny Fanahin’ i Jehovah tamiko hiteny aminao?
Job 21:22Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra aza?
Isaiah 40:13Iza no nanome hevitra ny Fanahin’ i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?
Amos 3:7Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony.
1 Corinthians 2:16Fa iza no nahafantatra ny sain’ ny Tompo mba hampianatra Azy?. Fa izahay manana ny sain’ i Kristy.