Bokin'i Jeremia 23:2
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ireo mpiandry izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian’ ny ataonareo, hoe Jehovah
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Lozan’ ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah
Read all of Bokin'i Jeremia 23
Cross References
Exodus 32:34Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin’ izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin’ izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.
Jeremiah 5:29Tsy hovaliako amin’ izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
Jeremiah 11:22izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra, ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary;
Jeremiah 17:10Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany
Jeremiah 23:34Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin’ ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan’ i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin’ ny ankohonany.
Micah 7:4Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron’ ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin’ izany dia vao ho very hevitra ianao.