Bokin'i Jeremia 23:3
Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin’ ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 23
Cross References
Deuteronomy 30:3dia hampodin’ i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin’ ny firenena rehetra izay nampielezan’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Isaiah 11:11Ary amin’ izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin’ ny moron-dranomasina.
Isaiah 43:5Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;
Jeremiah 29:14Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin’ ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin’ ny firenena rehetra sy avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin’ ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina.
Jeremiah 31:8Indro, hitondra azy avy any amin’ ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin’ ny faran’ ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan’ anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
Jeremiah 50:19Ary hampodiko ho any amin’ ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan’ i Daima sy Gileada no hahavoky azy.