Bokin'i Jeremia 23:5
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’ i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 23
Cross References
2 Samuel 23:3Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin’ ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra;
Psalms 72:1Nataon’ i Solomona. Andriamanitra ô, omeo ho an’ ny mpanjaka ny fitsarànao, ary ho an’ ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
Psalms 99:4Ny herin’ ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin’ i Jakoba.
Isaiah 9:5Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ ny mandrakizay Andrian’ ny fiadanana.
Isaiah 9:7Ny Tompo mandefa teny ho an’ i Jakoba, ka mihatra amin’ ny Isiraely izany.
Isaiah 32:1Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ ny mpanjaka, ary ny lehibe hanaraka araka ny rariny.