Bokin'i Jeremia 25:14
Fa ireo kosa indray dia hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan’ ny tànany avy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 25
Cross References
Psalms 137:8Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.
Isaiah 14:2Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak’ Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin’ ny tanin’ i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
Isaiah 66:6Injany! horakoraka any an-tanàna, Ary feo ao amin’ ny tempoly, Dia feon’ i Jehovah izay mamaly ny ataon’ ny fahavalony.
Jeremiah 32:19lehibe amin’ ny fisainana sy mahery amin’ ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan’ ny zanak’ olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany,
Jeremiah 50:29Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an’ i Babylona. Dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; Mitobia manodidina hamely azy; Aoka tsy hisy ho afaka izy; Valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony, no mba ataovy aminy kosa; Fa niavonavona tamin’ i Jehovah izy, dia tamin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Jeremiah 51:6Mandosira hiala an’ i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian’ i Jehovah, Izy no hamaly azy.