Bokin'i Jeremia 25:24
ary ny mpanjaka rehetra any Arabia sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny firenena maro samy hafa izay monina any an-efitra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And all the kings of Arabia, and all the kings of the mingled people that dwell in the desert,
In Context
23ary Dedana sy Tema sy Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo,
Read all of Bokin'i Jeremia 25
Cross References
Genesis 25:2Dia niteraka an’ i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin’ i Abrahama izy.
Genesis 37:25Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
2 Chronicles 9:14afa-tsy izay nentin’ ny mpivarotra sy ny mpandranto. Ary ny mpanjakan’ i Arabia rehetra sy ny mpanapaka ny tany dia samy nitondra volamena sy volafotsy ho an’ i Solomona.
Jeremiah 25:20ary ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany Oza sy ny mpanjaka rehetra amin’ ny tanin’ ny Filistina sy Askelona sy Gaza sy Ekrona ary ny sisa any Asdoda;
Jeremiah 50:37Indro! hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin’ ny olona samy hafa firenena rehetra ao aminy, ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro! Hisy sabatra hamely ny firaketany, ka horobaina izany.
Ezekiel 30:5Etiopia sy Libya sy Lydia sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.