Bokin'i Jeremia 25:6
Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin’ ny asan’ ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 25
Cross References
Exodus 20:23Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.
Deuteronomy 8:19Fa raha manadino an’ i Jehovah Andriamanitrao mihitsy ianao ka manaraka izay andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka eo anatrehany, dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo:
Deuteronomy 28:14Ary aza miala amin’ ny teny rehetra izay andidiako anao anio, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy.
1 Kings 11:4Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin’ ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’ i Davida rainy.
2 Kings 17:35Sady nanaovany fanekena sy nodidiany hoe: Aza matahotra izay andriamani-kafa, na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy, na namono zavatra hatao fanaritra ho azy;
Jeremiah 7:9Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?