Bokin'i Jeremia 26:2
Izao no lazain’ i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, ka lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon’ i Jehovah, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 26
Cross References
2 Chronicles 24:20Ary Zakaria, zanak’ i Joiada mpisorona, notsindrian’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nitsangana teo amin’ ny avoavo teo anatrehan’ ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin’ i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an’ i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
Jeremiah 1:7Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’ izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
Jeremiah 7:2Mitsangana eo am-bavahadin’ ny tranon’ i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin’ ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah.
Jeremiah 23:28Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin’ ny vary? hoy Jehovah.
Jeremiah 28:5Dia hoy Jeremia mpaminany tamin’ i Hanania mpaminany teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao an-tranon’ i Jehovah,