Bokin'i Jeremia 27:1
Tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ izao teny izao tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Manaova famatorana sy zioga ianao, ka ataovy eo am-bozonao,
Read all of Bokin'i Jeremia 27
Cross References
Jeremiah 26:1Tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ izao teny izao avy tamin’ i Jehovah nanao hoe:
Jeremiah 27:12Ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
Jeremiah 28:1Ary tamin’ izany taona izany ihany, dia tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahefatra, no nitenenan’ i Hanania, zanak’ i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon’ i Jehovah, teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: