Bokin'i Jeremia 27:13
Nahoana no ho fatin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin’ ny vahoakanao, araka ny nolazain’ i Jehovah ny amin’ ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan’ i Babylona?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 27
Cross References
Proverbs 8:36Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin’ ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
Jeremiah 27:8Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hovaliako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin’ ny tànany.
Jeremiah 38:20Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin’ i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao.
Ezekiel 18:24Fa raha ny marina no miala amin’ ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon’ ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.
Ezekiel 33:11Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ ny ratsy fanahy amin’ ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?