Bokin'i Jeremia 28:16
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin’ ny tany ianao; amin’ ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin’ i Jehovah no notorinao
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Ka dia maty tamin’ ny volana fahafito tamin’ iny taona iny ihany Hanania mpaminany.
Read all of Bokin'i Jeremia 28
Cross References
Exodus 32:12Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin’ ny tany? Mialà amin’ ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin’ ny loza izay hanjo ny olonao.
Numbers 16:28Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin’ ny saiko izany:
Deuteronomy 6:15fa Andriamanitra saro-piaro eo aminao Jehovah Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran’ i Jehovah Andriamanitrao, ka hofongorany tsy ho eo ambonin’ ny tany ianao.
Deuteronomy 13:6Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin’ i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin’ ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin’ ny lalana izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Jeremiah 20:6Ary ianao, ry Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any Babylona ianao, ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao mbamin’ ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
Jeremiah 29:32dia izao no lazain’ i Jehovah: Indro, efa hamaly an’ i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin’ ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin’ ny hahitana ny soa izay hataoko amin’ ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin’ i Jehovah no notoriny.