Bokin'i Jeremia 28:8
Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin’ ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin’ ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:
Read all of Bokin'i Jeremia 28
Cross References
Leviticus 26:14Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo,
Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Deuteronomy 31:16Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin’ ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
1 Samuel 2:27Ary nisy lehilahin’ Andriamanitra nankany amin’ i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin’ ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon’ i Farao izy?
1 Kings 14:7Koa mandehana, ka lazao amin’ i Jeroboama hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin’ ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,
1 Kings 21:18Miaingà, ka midìna hihaona amin’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin’ ny tanim-boalobok’ i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy.