Bokin'i Jeremia 3:10
Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin’ ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin’ ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Ary hoy Jehovah tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.
Cross References
2 Chronicles 34:33Ary Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin’ ny tany rehetra izay an’ ny Zanak’ isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin’ ny Isiraely hanompo an’ i Jehovah Andriamaniny. Tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josia dia tsy mba niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona.
Psalms 66:3Lazao amin’ Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ ny herinao no hikoizan’ ny fahavalonao Anao.
Isaiah 10:6Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan’ ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
Jeremiah 9:1Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran’ ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy.
Hosea 7:14Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.