Bokin'i Jeremia 3:11
Ary hoy Jehovah tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Jeremiah 3:8Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
Ezekiel 16:47Nefa tsy araka ny alehan’ ireo ihany no nalehanao, ary tsy araka ny fahavetavetan’ ireo ihany no nataonao; fa hoatra ny zavatra kely loatra izany, ka dia nanao ratsy mihoatra noho ireo indray ianao tamin’ ny nalehanao rehetra.
Ezekiel 23:11Ary nony hitan’ i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an’ ny rahavaviny,
Hosea 11:7Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin’ ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory.