Bokin'i Jeremia 3:2
Andrandrao amin’ ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian’ olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 38:14Ary nanaisotra ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’ i Enaima, izay eo amin’ ny lalana mankany Timna; satria efa hitan’ i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen’ i Joda ho vadin’ i Sela izy.
1 Kings 11:3Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo.
Proverbs 7:11Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
Jeremiah 2:7Ary nitondra anareo niditra ho any amin’ ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.
Jeremiah 2:23Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ ny alehany,
Jeremiah 3:9Ary tamin’ ny fihorakorahan’ ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin’ ny vato sy ny hazo izy.