Bokin'i Jeremia 3:20
Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin’ ny lahy, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Jeremiah 3:1Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin’ olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.
Jeremiah 5:11Fa efa nivadika tamiko mihitsy ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, hoy Jehovah.
Ezekiel 16:25Ary teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny fitoerana avonao, ary novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho amin’ ny mpandalo rehetra ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao.
Hosea 3:1Dia hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ ny vadiny nefa mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodìna ho amin’ izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka.
Hosea 6:7Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an’ i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.