Bokin'i Jeremia 3:23
Foana tokoa ny horakoraka any amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin’ i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 37:39Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’ i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin’ ny andro fahoriana Izy.
Isaiah 10:20Ary amin’ izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin’ ny taranak’ i Jakoba, dia tsy hiankina amin’ izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin’ ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa.
Isaiah 43:11Izaho dia Izaho ihany no Jehovah Ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.
Isaiah 45:15Marina tokoa fa Hianao dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Isiraely sady Mpamonjy ô.
Isaiah 45:20Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, ianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’ izay andriamanitra tsy mahavonjy.
Isaiah 63:1Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin’ ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.