Bokin'i Jeremia 3:25
Aoka handry ao amin’ ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin’ i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny razanay, hatramin’ ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitray izahay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Judges 2:2koa aza manao fanekena amin’ ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
Ezra 9:7fa hatramin’ ny andron’ ny razanay ka mandraka androany dia lehibe ny helokay; ary ny helokay no nanolorana anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ ny tany hafa, hovonoin-tsabatra sy ho babo sy ho voaroba ary hangaihay tahaka ny amin’ izao anio izao.
Psalms 106:7Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan’ ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron’ ny Ranomasina Mena
Proverbs 5:13Ka tsy nihaino ny tenin’ ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy?
Isaiah 48:8Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin’ ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.
Jeremiah 2:2Mandehana, ka miantsoa eo anatrehan’ i Jerosalema hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Tsaroako ny niraiketan’ ny fonao tamiko, fony ianao mbola tanora, sy ny fitiavanao, fony ianao vao nampakarina, dia ilay nanarahanao Ahy tany an-efitra, teny amin’ ny tany tsy mbola nifafy zavatra;