Bokin'i Jeremia 3:7
Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 17:13Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’ i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.
2 Chronicles 17:4fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon’ ny Isiraely.
Jeremiah 3:8Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
Ezekiel 23:2Ry zanak’ olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;
Hosea 6:1Andeha hiverina ho amin’ i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika.