Bokin'i Jeremia 30:5
eny, izao no lazain’ i Jehovah: Feo mampangovitra no renay; Misy tahotra, fa tsy fiadanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For thus saith the LORD; We have heard a voice of trembling, of fear, and not of peace.
In Context
4Ary izao no teny izay nolazain’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely sy ny Joda,
Read all of Bokin'i Jeremia 30
Cross References
Isaiah 5:30Ary hirohondrohona aminy amin’ izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon’ ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin’ ny rahona.
Jeremiah 4:15Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin’ ny tany havoan’ i Efraima,
Jeremiah 6:23Tsipika sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.
Jeremiah 8:19Injany! misy feo fitarainan’ ny oloko zanakavavy hatrany amin’ ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah tsy ao Ziona va? Ary tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy ireny tamin’ ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin’ ny zava-poana avy amin’ ny firenena hafa?
Jeremiah 25:36Injany! misy feo fitarainan’ ny mpiandry ondry sy fidradradradran’ ny zokiny aminy! Satria efa nosimban’ i Jehovah ny saha fiandrasana azy,
Jeremiah 46:5Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.