Bokin'i Jeremia 31:13
Ary amin’ izany dia ho faly amin’ ny fandihizana ny virijina mbamin’ ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 31
Cross References
Nehemiah 12:27Ary rehefa hitokanana ny mandan’ i Jerosalema, dia nitady ny Levita avy tamin’ ny fonenany rehetra izy mba ho entina any Jerosalema hanao ny fitokanana amin’ ny fifaliana sy ny fiderana ary ny hira mbamin’ ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga.
Esther 9:22dia araka ny andro nahafahan’ ny Jiosy tamin’ ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an’ ny mahantra izany.
Psalms 126:5Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.
Psalms 149:3Aoka hidera ny anarany amin’ ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga.
Isaiah 35:10Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Isaiah 51:11Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.