Bokin'i Jeremia 32:2
Fa tamin’ izany no nanaovan’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona fahirano an’ i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan’ ny trano fiambenana, izay teo amin’ ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 32
Cross References
Nehemiah 3:25Ary Palala, zanak’ i Ozay, koa, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny fiolahana sy izay mandroso eo amin’ ny tilikambo ambony, eo amin’ ny ranon’ ny mpanjaka, eo akaikin’ ny tokotanin’ ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak’ i Parosy.
Jeremiah 32:8Ary Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan’ ny trano fiambenana araka ny tenin’ i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin’ ny tanin’ ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin’ i Jehovah izany.
Jeremiah 36:5Ary Jeremia nandidy an’ i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon’ i Jehovah;
Jeremiah 37:15Ary tezitra tamin’ i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina tao amin’ ny tranon’ i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony trano-maizina.
Jeremiah 38:6Ary naka an’ i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin’ ny lavaka famorian-dranon’ i Malkia, zanak’ andriana, izay tao amin’ ny kianjan’ ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin’ ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin’ ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin’ ny fotaka Jeremia.
Jeremiah 39:13Ary Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, sy Nebosazbana, Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera, Raba-magy, ary ny mpanapaky ny mpanjakan’ i Babylona rehetra